Malalako tsy foiko (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa mangingina ety raha tsy eo ianao malala
Toa mamanala akia nilaozanao
Fa malahelo mamelovelo
Maniina anao aho, manina anao.
Iny lalana iny
efa mirakitra ireo dinantsika teny
Natrehan’ny habakabaka iny nifamihina e
Tsy ho hadinoiko e ho tsiahiko

Ny lalantsika ity efa safidy ô ry tiana
Lalam-pitia anie feno herisetra
Tsy itarainana, izay no fiaiinana
Manina anao aho, manina anao.
Iny lalana iny
efa mirakitra ireo dinantsika teny
Natrehan’ny habakabaka iny nifamihina e
Tsy ho hadinoiko e ho tsiahiko

Ny lakantsika ity anivon-drano malala
Ny ao an-tanàna koa misy mandrahona
Fa manantena ilay fandresena
Manina anao, manina anao
Iny lalana iny
efa mirakitra ireo dinantsika teny
Natrehan’ny habakabaka iny nifamihina e
Tsy ho hadinoiko e ho tsiahiko

Na fandrahonana hatrany am-ponja aza
Tsy nahasaraka mbola hifamihina
Fitia tsy miahotra tsy misy tahotra
Manina anao aho, manina anao
Iny volana iny
Nanatrika iny ranomaso harivariva
Lay tafasirintsika amorom-patana e
Sedram-pitia ô, sedram-pitia.
--------
Rohy:
Hevitra
yvon1308 ( 10/02/2015 12:40)
Salama tompoko
Tsara tokoa raha misy lien d'exportation .doc ilay tononkira

misaotra Tompoko
hery ( 23/02/2015 16:13)
Ny .doc tsy possible fa ny .pdf efa io azonao atao io.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 4898
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 18/07/2002 12:44
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124