INDRAY ALI-MANGINA (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Neny hono indray ali-mangina
Niandrandra ny kintana maha variana
Nivavaka izy nanjohy tao am-pony
Naniry hanan-janaka mba ho mpitory!

De lasa izy noho ny ampitson'io
Namonjy lamesa nanao komonio
I Jesoa nitsetra nahita an'i Neny
Ireo fangatahany hono nekeny

Kinta-mamiratra atao fijerena
Hanilo ny haizin'ireo firenena
Hitondra ny làlana ho any am-paradisa izy oh!
Ny antitra hono tantanan'ny ankizy

Neny hono indray(.......)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 5178
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : bhenfinoanihasina
Daty : 16/07/2015 19:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719