HERISETRAN'NY FITIAVANA (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ampingan'ny fitiavana, dia fitiavana
Ny herisetran'ny fitiavana, dia fitiavana
Ny valifatin'ny fitiavana, dia fitiavana
Ny herisetran'ny fitiavana, dia fitiavana

Raha sendra olam-piainana
Ilay olon-tiana zary tsy tia
Herezo ny saina tsarovy tokoa
Fa ny olona mino tsy mba mamoy fo
Ny olon-tiana miova sy mania
Fa tiavina ny olona vao afa-mitia
Ny hendry mangina tsy mankahala
Handresy ny tia, ilay tia adala

Ny ampingan'ny fitiavana, dia fitiavana
Ny herisetran'ny fitiavana, dia fitiavana
Ny valifatin'ny fitiavana, dia fitiavana
Ny herisetran'ny fitiavana, dia fitiavana

Raha sendra fifandonana
Misy faharatsiana sy lolom-po
Ny olona mpino tsy hoe malemy loha
Asehoy amin-kery ilay afon'ny fo
Fa ny mpino dia mahery
Fa tsy fanahy osa no nomeny
Fa ny hery manova ny herin'ny fitia
Ny fankahalana tsy mampandresy

Ny ampingan'ny fitiavana, dia fitiavana
Ny herisetran'ny fitiavana, dia fitiavana
Ny valifatin'ny fitiavana, dia fitiavana
Ny herisetran'ny fitiavana, dia fitiavana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 9224
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 24/03/2016 10:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745