Fitiavako masiaka (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hendre tsara malala.
Any an-tany tsy hitako any.
Matoky anao aho!

O !o !o !o !o !
Masiaka ny fitiavako anao.
O! O! O! O! O!
Masiaka ny fitiavako anao.

Eto ihany,
Eto ihany aho no mikalo anao.
Tsy tafandry,
Tsy tafandry aho mararirary anao.

Ny androko rehetra lasanao
Tena lasa adalanao.
Tena tia anao,
Anao irery aho.



Tsy tiako handeha irery
lavitra ahy ianao.
Tsy tiako fantatra avy
’Zay alehanao.

Inay aho mba volan’iny an-danitra
Ka hahita anao hatrany ambadika any.
Maro mpahalala ny anaranao.
Zakaiko mangina ao anatiko ao.

Ireo manara-maso anao tsy tiako.
Ny ao anatiko ao mitroatra fa tsindriako.
Ö Malalako aza omena tsiny.
Tiako ange, tiako ange ianao iny.

Masiaka ny fitiavako anao.
Masiaka ny fitiavako anao.

Tiako ianao Malalako ahy irery.
Tiako ianao ilay tiako tsy ho very ô! ô!
Babonao aky ny foko.
Ho anao izay no finoako.

Tanteraho akia izay sitrakao.
F’ambony ambany aho efa anao.
Masiaka ny fitiavako anao.

Tsy mba tantiko rehefa ho eny aminao
Ireo no mahareta teo vao lasa ianao
Toa manganohano te-hitomany.
Maminany ireo sarisary mankarary.
Taratasy rehetra tao an-tranonao
Fa voajeriko an-tsokosoko tao.
Ireo anarana daty sy hajia
Voadiniko hatramin’ny sonia.

Ö! Malalako aza omenao tsiny
Tiako anie, tiako ange ianao iny
Tiako ianao tadiaviko isanandro.

Ny maraina, ny hariva sy ny atoandro ô! ô!
Izaho tsy hiala aminao
Fa rehefa anao aho dia anao
Na handrahona ireo mpanakora.
Izaho tsy hiala moramora.

E! Ie! Ie!
Masiaka ny fitiavako anao …

NY AINGA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 11513
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Larina
Daty : 30/08/2006 09:19
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1603