Fiainam-baovao (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao ilay olombelona marefo
Ny lalanao mamaky haizim-pito
Fa miandry anao ilay fahazavana
Io ny Tompo miandry anao ka mitsangana
Izao tontolo izao efa jambena
Voagajen-drendrarendra sy harena
Ianao dia ianao no antenainy ny fiainanao miova no ilainy

Ny fitiavany tsy miova no niantsoany anao izao
Ny ra nalatsany no nanasany ny fonao
Ka dia tsy ho raisinao tokoa ve ilay antso antefany
Koa andeha ianao hampijoro hatrany ny lalam-pahamarinana
F’izany (2x) no fiainam-baovao
F’izany (2x) no niantsoany anao

Satria ny fitiavan’Izy Tompo no miantso anao hanompo sy hanatsara
Satria ny Fitiavan’Izy Tompo manefy anao tsy handray fa hizara

Tsy hoe fadiran’ovana tsy manana
Fa sahy manome ny aina sy ny ananana
Izay no fahantrana am-panahy : tsy voagejan’ny tombon-tsoa sy ny ahiahy

NY fitiavany...;

Satria ny Fitiavan’Izy Tompo no miantso anao ho mafy sy ho mpanarina
Satria ny Fitiavan’Izy Tompo eny ê!
Manainga anao tsy hanaiky ny tsy marina

Tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao hatao!

Noro, Dô, Luc, Om-Guy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 10083
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 25/09/2002 15:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3861