Fiainako tantarako (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiainako...Tantarako

Mitamberina am-poko
Hataoko hirako androany
Ity tantarako ity e ho anareo namako any
Tantaram-piainako ho tsaroanao

Tao Avaradrano ao ! (2) ny razambeko no nipoitra fahiny
Lasa valovotaka izy tany Betsileo ambanivolo any
Teraka tambanivohitra any aho dia tany aho no hary
Zanak'olona mpanarivo manana omby, tanimbary
Mpanabe fanta-dazan'ny sekolin'ny Misiona ny Raiko
Adaladalam-pitia ka nanaiky hafindra any an-dakira any
Nafoiny ny hareny rehetra nefa izy milionera
Nekeny sy nataony avokoa ny baiko masin-dry Mopera !

Kanjo ela dia nitsipozy
Nipoaka ho aho ny 72
Nohidian'ny Misiona 'reo sekoly foana
Ka vita hatreo ny amin'i Dada...
Bandy mpikarama mitrongy aho
Sady mianatra no miandry omby
Teo 'lay fotoana nialako Finoana nigafy Fiangonana iny

O!O!O!O! Lay lay lay lalay lay !

Làla-piainana marina izany
Sedra mafy tokoa fa tena nahasoa ,tsy hanenenana koa
Fa dezaka nandrafitra ny hirako hahatsiarovanao ny anarako
Izany rehetra izany tsy ho voakosoka ao am-po
Fa izany no tantarako...

Niainanay leisy izany...niainanay tokoa
Niainanay leisy...niainanay e !

Dia nitady Sekoly aho niakatra an'Ambohimahasoa
Dia an-tongotra isan'andro fa dia nianatra aho;nianatra ihany
Voankazo kely sy mangahazo fa tsy nanam-pahandro
Nataon'i Neny anaty kitapo ho sakafoko ny atoandro
Nirava nianatra aho indray andro;tadidiko ny sabotsy atoandro
Nangidy tamiko,tampoka tamiko:MATY ny Raiko leisy e!

Dia nikofoka nibosy tonga hatrany an-dafy anie aho
Dia tafody soa aman-tsara eto an-tanindrazana eto indray
Ny asa Fanabeazana hatrany no tantaniko isan'ora
Nanao voady ho mandra-pahafaty aho hanabe ny Tanora
Hatramin'ireo gadra any am-ponja ;beazina homena diamondra
Sekoli-pinoana tompoinay foana tsy avelanay koa ny Hira

Tena misy mpitia any ho any mankafy ny ataoko
F'ao ambadika koa ireo mpanjika sy ireo mpankahala
Teny am-panentanana mpianatra eny an-kianja aho;de nofofoina
Tamin'izay no nampisaborina ary saika ho vonoina

Zava-nisy 'zany ry nama;ny soa misy mpankahala
F'isika tsy kivin'ny sedra mangidy raha mbola ao koa ny Finoana !
Mpanabe no sady Mpihira izay no Fiainanay ry tiana !
Ho lasa tadidy ireo soa sarobidy rehefa tsy eny intsony anie aho...

O!O!O!O! Lay lay lay lalay lay !

Mandria am-piadanana Om-gui
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 6662
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 26/08/2016 08:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4185