You are here: home > Tononkira > Ny Ainga

Dadazily (Ny Ainga)

Ouh ! Ouh! Ouh!

Eh! eh!eh!
Veloma ny lasa letsy ry zalahy a!

Soara  soara soara soara e e e!
Antitra vao be ny tanora
Antitra  letsy ’ty ka antitra e
Antitra letsy  Dadazily a             x 2

Maraina ny andro (bis), maraina ny andro
Irery antrano (bis), irery mitanondrika  
Manganohano, manganohano tsy afaka e!
Mahatsiaro (bis), mahatsiaro ny andro lasanà a!
Tazanina io miantona @ rindrina e!
Io ny sary mariazy
Rafotsy mbola "jeune" misarona ny voaly
"Souvenir" sisa.

O! Rafotsy o…! Rafotsy a…! Rafotsy e…!
Jeram-potsiny efa ketrona sy lany
Tsisy mamy intsony ny oroka nafana
Aiza ho aiza lay bôgôsy fahizay e !
Miara- miondrika eto amorom-parafara

Tsy hita intsony ny hamamin’ny alina iny e
Mangatsiaka ny mamanton’alina iny
Mivadibadika  Rafotsy misohiaka
Feno banga, tsy hita intsony zany bika
Aiza ho aiza ny fahiny ho aho ry tiana
Efa antitra vao be ny "souvenir" a!

Ouh!ouh!ouh!
Mafy refa antitra letsy e!
Mbola samy hoantitra letsy a a

Soara soara soara soara e e e!
Antitra vao be ny tanora
Antitra letsy ’ty ka antitra e!
Antitra letsy Dadazily a!           Tsiky dia ampy  x2

Atoandro ny andro, atoandro ny andro
Mitapy  andro ,mitapy ny masoandro
Mahatsiarotsiaro, mahatsiaro ny andro lasana e
Manganohano, manganohano manina

Manembona eto ampoto-kazo maloka e
Njao ny ankizy mikorana
Ireny fa mandalo reny sipa manja reny
Manao "jean" tery.

O! ry Bandy a…!bandy o…! Bandy e…!
Te ho tanora foana saingy tsisy fika
Efa gôdraka, malazo ny efa vita
Bye bye ’lay zoma magnifika e!
Brigthon, ny revy, sy ny sipa.

Sasakalina mikohaka mandevy
Fa mitaky ny sigara  sy ny revy
Nisotrosotro teo Isoraka hoa fahiny
Nitazatazana iny Anosipatrana iny
Aiza ho aiza ny fahiny hoa  ry tiana  
Efa antitra vao be ny "souvenir"

Ouh!ouh!ouh!
Mafy refa antitra letsy e!
Mbola samy hoantitra letsy a!

O !ry bandy a…! Bandy o…! Bandy e…!
Indray andro any refa antomotra ny anjara
Efa soara ela miandry ’lay fotoana
Mivavabavaka eo andoham- parafara e!
Miady aina samirery ambava-haona

Fa ny olona manohy ny fiainany iny e!
Anaty "bus" handeha hampiaraka @ tiany e!
"Spectacle" any Antsahamanitra any
Fa elah veloma handao ny tany!
Ouh!ouh!ouh!
…..elah veloma handao ny tany (x 3)


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Ainga
Mpamaky : 4839
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zouas
Tamin'ny : 23/09/2008 08:12:04
ID : 5380

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo