ADIDY SAROTRA (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Adidy sarotra

Harena tokoa ny vahoaka e e !
Harena tsy voavidim-bola o o !
Fa mamin'ny saina e e !
'Zany mamim-bahoaka a a !

Ny biby tokoa hono mantsy e e !
Tsy mandeha raha tsy an-dohany roy o o !
Tsikera tsy mety e e !
Raha tsy fanafody a a !

Ref: Tsy mora zareo ny mitondra vahoaka a !
Tsy mora tokoa moa izany e e !
Mba marina mafy e !
Tsy mora mba marina mafy e e !
Tokoa any izany a a !

Ny mpiandry ondry tsy maintsy mijoro o o !
Miambina miandry amin'ny biby masiaka e e !
Miambina miaro mamaham-bahoaka ry lahy o !
Tsy moramoraina ity rariny ity e e !

Omby indray mandry tsy indray mifoha o o !
Saonjo iray vala tsy hilaozan-tsy mety e e !
Ny vahoaka koa toa tsy mba manan-diso leroy o !
Ho an'iza ny tsiny , ho an'iza ny fondro a a !

Ref:

Ny toky nomeny tsy mora lokoina o o !
Ny fanantenany tsy mora disoina e e !
Mbola hiratrin'ny fahamarinana izy ry lahy o !
Kanefa mba misy ireo jamban'ny tsaho a a !

Mila olon-kendry ny fon'ny vahoaka e e !
Mila tezaina tsy an-tambitamby o o !
Mila beazina tsy amin-kapoka roy o !
'Ty olona ity 'ty vahoaka ity e e !

Ref:

NY AINGA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 3761
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 02/09/2016 15:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1219