20 Taona Milay (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lalan-davitra hatrizay,
no nankafizanao ny vazonay
Nampirevy ny tanàna,
an-drenivohitra na dezaka e
Hira tsotra mampiray,
izay ny anay ilay vazo milay
Na eto anivon-tany
hatrany anindrana any
Tsisy miala amin’ny NY AINGA e
O ry mpankafy, milay nareo merci.. mankasitraka e !

Filamatray ny ho tafita e,
mahay fa tia manompo
Ireo asa soa vitantsika e
Isaorana Izy Tompo

Milay ny antsika e..
Roapolo taona milay ny aty
Tsika rehetra andao handihy
Tianay maminay, tianay revinay
Vazo milay hatrany ny aty
Tianay maminay, tianay revenay
Ny Ainga hafa ihany leiry…

Tsikitsikinao chérie…
Nareo rehetra mpankafy..
Tianay am-ponay e
Tianay Maminay, tianay revenay
Bien Jolie , Merci Omguy
Matokia nareo...Raha mbola eo 'nareo...Zahay tsy ho rava sanatria...
Fanabeazana, fitiavana
hafatra efa taona maro izay
Tsy nosarahinay, hiran’ny fiainana sy ny hiram-bavaka e

Maro ireo malaza ety
mivazo gadona mafana leisy e
Fa ny hiranay tsy ho lefy,
ny vazon’Ny Ainga mbola miavaka e
Rehefa izahay no sendra tsy eo
Tsy afa-po mihintsy ianareo
Na radio télé na eny Antsonjombe
Aiza foana ary Ny Ainga e
Izay tokoa nareo, mpankafy tsy leo… Mankasitraka e

Tsikitsikinao chérie…
Nareo rehetra mpankafy..
(Tianay am-ponay e)
Tianay Maminay, tianay revenay
Bien Jolie , Merci Omguy
Matokia nareo...Raha mbola eo 'nareo...Zahay tsy ho rava sanatria...
Fanabeazana, fitiavana hafatra efa taona maro izay
Tsy nosarahinay, hiran’ny fiainana sy ny hiram-bavaka e

Ny tantara apetrakay
sangan’asa manasoa vahoaka
Fa tsy kanto ny talenta
raha tsy hanasoavana olombelona e
Ny Ainga tsy mba miavona,
fa ampihirain’ny fitiavana
Lalana dezaka izahay tsy mifezaka, niainanay leisy zany e
Tianay be nareo tsika hampiara-peo
Vazo milay lesy e !

Filamatray ny ho tafita e,
mahay fa tia manompo
Ireo asa soa vitantsika e
Isaorana Izy Tompo

Milay ny antsika e..
Roapolo taona milay ny aty
Tsika rehetra andao handihy
Tianay maminay, tianay revinay
Vazo milay hatrany ny aty
Tianay maminay, tianay revenay
Ny Ainga hafa ihany leiry…

Tsikitsikinao chérie…
Nareo rehetra mpankafy..
tianay am-ponay e
Tianay Maminay, tianay revenay
Bien Jolie , Merci Omguy
Matokia nareo...Raha mbola eo 'nareo...Zahay tsy ho rava sanatria...
Tianay maminay, tianay revenay
Vazo milay hatrany ny aty…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 12247
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 27/03/2014 07:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869