Vavaka (Ny AFI(vinaninkarena))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ankinina aminao Ray, ny lalana hombanay
Fa maro ireo sakana izay mampanahy
Tolory hery izahay mba tsy ho lavo
Hanatontosa ny hirakao
Tsy ho resy izahay
Satria manana anao hery fiarovana ianao Jesoa

Ny Fiangonanao tahio vonjeo
Ireo olom-boafidinao vangio jereo
Omeo fo mino izy ireo hanefany
Ny adidiny izay napetrakao
Matoky ny fonay sy ravo ny fanahy
Hadova ilay fiainana mandrakizay

Hiantrao ihany koa ny Firenenay
Fa latsaka anaty haizina mba hamindrao Fo o!
Handry tokoa amim-piadananao
Mariky ny fahalebiazanao
Ny voninahitrao no indro atolotray
Ho anao ry Avo izay mpiahy anay

RAISO RE NY VAVAKAY AMEN!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny AFI(vinaninkarena)
Vangy : 887
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Andriamapamndry
Daty : 06/02/2018 17:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719