Mankasitraka (NTC Gospel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zanahary Ilay tsara indrindra,
Ravoravo izahay ety.
Mahatsiaro ity fiainanay tsara rindra,
Nahatratra ity andro ity.
Falifaly sy mirana e, fa noraisinao Ilay Mesia,
Ho isan'ireo voafidy izahay hitondra ny Anarany.

Zanahary Ilay tsara indrindra e,
Ravoravo izahay ety.
Mahatsiaro ity fiainanay tsara rindra,
Nahatratra ity andro ity.
Fa falifaly sy mirana e, fa noraisinao Ilay Mesia,
Ho isan'ireo voafidy izahay hitondra ny Anarany.

Mankasitraka e!
Eram-po, eran-tsaina e.
Mankasitraka e!
Ravoravo anie ny tena ô.
Mankasitraka e!
Anao Jehovah Rainay ô.
Ka manombok'izao làlanao no làlanay.

Sitraka e sy telina avokoa,
Ireo soa narotsakao, fahasoavana ihany koa e.
Sitraka e, voninahitra Anao Ray Tsitoha,
Ray, Zanaka, Fanahy Masina e,
Lolohavina an-tampon'ny loha.

Sitraka e sy telina avokoa,
Ireo soa narotsakao, fahasoavana ihany koa e.
Sitraka e, voninahitra Anao Ray Tsitoha,
Ray, Zanaka, Fanahy Masina e,
Lolohavina an-tampon'ny loha.

Mankasitraka e!
Eram-po, eran-tsaina e.
Mankasitraka e!
Ravoravo anie ny tena ô.
Mankasitraka e!
Anao Jehovah Rainay ô.
Ka manombok'izao làlanao no làlanay.

Mankasitraka e!
Eram-po, eran-tsaina.
Mankasitraka e!
Ravoravo anie ny tena ô.
Mankasitraka e!
Anao Jehovah Rainay ô.
Ka manombok'izao làlanao no làlanay.

Mankasitraka e!
Eram-po, eran-tsaina e.
Mankasitraka e!
Ravoravo anie ny tena ô.
Mankasitraka e!
Anao Jehovah Rainay ô.
Ka manombok'izao làlanao no làlanay.
Ka manombok'izao làlanao no làlanay.
Ka manombok'izao làlanao no làlanay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NTC Gospel
Vangy : 1539
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RRkt
Daty : 23/01/2017 21:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2939