You are here: home > Tononkira > NTC Gospel

Hankatoa Anao (NTC Gospel)

Raha toa mandalo ady sarotra ianao,
Evero foana fa fisedrana natao ho anao,
Mba hiorenanao.
Koa mitrakà, fa ny Tompo tsy mba mahafohy anao tokoa.
Fafao ny ranomaso ka mifalia.

Raha toa mandalo ady sarotra ianao,
Evero foana fa fisedrana natao ho anao,
Mba hiorenanao.
Koa mitrakà, fa ny Tompo tsy mba mahafohy anao tokoa.
Fafao ny ranomaso ka mifalia.

Hisaorako eram-po Ianao fa nampitraka ahy (ny fanahy),
Tsy nohisainao ny adalako,
Namindranao fo ihany aho.
Raiko tia,
Tsy ho lavo intsony aho fa miankinTsiky dia ampya Aminao.

Tianao aho ka natsotranao ny tànanao,
Hanafaka sy hiaro ahy amin'ny adim-panahy,
Mba tsisy ahiahy.
Hanjakao aho, omeo fo madio
Sy toe-panahy araka Anao tokoa.
Ka hankatoa Anao aho sy ho tia Anao.

Hanandratra Anao aho,
Fa novonjenao aho (ny fanahy).
Tsy kivy intsony aho satria feno Anao ny fiainako.
Raiko tia,
Hitondra fiaina-vaovao indray Ilay Jesoa tia.

Hisaorako eram-po Ianao fa nampitraka ahy (ny fanahy),
Tsy nohisainao ny adalako,
Namindranao fo ihany aho.
Raiko tia,
Hitondra fiaina-vaovao indray Ilay Jesoa tia.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : NTC Gospel
Mpamaky : 280
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : RRkt
Tamin'ny : 18/01/2017 14:26:25
ID : 9084

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo