Andro Farany (NTC Gospel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
[Antso avo ho an'izay mbola taraiky,
Miala tsiny raha somary nanaitra.
F'efa akaiky ny farany]

Raha ho avy ny andro hitsarana anao,
Hiseo eny amin'ny rahon'ny lanitra amizay Andriamanitra e!
Samy hotsaraina amin'izay natao,
Na ny mino, na ireo niodina fa tsy naharitra e!

Dia tadidio tsara e,
Fa tsy hisy dikany intsony ny harena hireharehana e!
F'Izy Ray no hitsara e,
Ary làlana roa no tsy maintsy hifampizarana e!

Ka ho aiza no aleha,
Ho any amin'ilay paradisa sa ho any amin'ny helo ô?
Handova lanitra ve,
Sa hirehitra may kila any vao hampalahelo ô?
Havako tiako ô,
Tsy aleo ve hilaozana aingana ny fahotana e?
Fa raha hotsaraina ianao,
Ankavanan'Ilay Andriamanitra sa an'i Satana?

Fa ho avy izany andro izany e, (fa ho avy izany andro izany e)
Ianao kosa indray no hitanisana ireo fahotana e!
Nahavita iraka ve, (nahavita iraka ve ?)
Sa dia nangoron-karena, nanao adalàna?

Aza dia varimbariana,
Fa tsy hisy dikany intsony ny harena sy ny voninahitra e!
Ny hany takina aminao, aminao, aminao ô,
Dia izay olona nanao ny sitrapon'Andriamanitra e!

Tsy avy hiantso ny marina Izy e, (tsy tonga hiantso ny marina Izy e!)
Fa hanova ny mpanota hibebaka. (mibebaha havako ô)
Efa nandefa ny teniny Izy e,
Hampahery anao izay reraka.
Koa aza sondrian-tory intsony, (aza sondrian-tory intsony ianao!)
Tandrema, miambena, mivavaha!
Miadia ny ady tsaran'ny finoana,
Dia ho voavonjy ny fanahy.

[Andro farany izao ry havako e,
Andriamanitra ihany no afaka hitantana ny diantsika]

Izay làlana ombako re mba hazavao !
Izay làlana ombako re mba hazavao !
Izay làlana ombako re mba hazavao !
Izay làlana ombako re mba hazavao !

E! Ho any amin'ilay paradisa sa ho any amin'ny helo ô?
Handova lanitra ve,
Sa hirehitra may kila any vao hampalahelo ô? (Hampalahelo ianao raha izany tokoa no mitranga e! Ka dieny izao...)
Tsy aleo ve hilaozana aingana ny fahotana e? (Alaviro ny fahotana e)
Fa raha hotsairana ianao,
Ankavanan'Ilay Andriamanitra sa an'i Satana?

Raha hotsairana ianao,
Ankavanan'Ilay Andriamanitra sa an'i Satana?

[Saintsaino ihany]
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NTC Gospel
Vangy : 2712
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : RRkt
Daty : 23/01/2017 21:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717