Fony mbola zaza (Nono)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Nono
Mpamaky : 977
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 26/10/2001 23:10:32
ID : 151

Imprimer Facebook Facebook
Fony mbola zaza isika,
Raha nilalao kanety aho,
Teny ambodi-rindrina aho,
Dia efa tia anao ! Fitiavana madio...
No nandramako omena anao,
Nefa tsy niteny !...

Nony taty aoriana anefa
Nisy tary iray izay
Nilaza fa haka vady anao
Nilaza taminao fa
Hanambady anao ! manampiakatra anao
Dia iny ianao no lasa
Dia iny ianao no tsy hita !
Veloma ihany sombin’ aiko... Veloma ihany !

Tsy naharitra ela anefa !... vetivety ihany !

Tonga ary izao ny andro,
Ampakarako anao !
Jereo fa tonga ny vahoaka
Hanotrona anao
Akanjo fotsy izay
Voaly fotsy iray
No atolotro anao,
Mba hisaloranao

Tsy naharitra ela anefa !... vetivety ihany !
Dia iny ianao no nilefa !... Nitomany !
Nigogogogo ! Nigogogogo mafy ery !
Dia nilaza indray fa hoe : Tsy ianao no tena tiako !




http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo