Zanaka fifohazana (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa zanaka fifohazana dia niditra fifohazana
Ie…
Nanao akanjo fotsy lava be niampita ranomasina
Ie…
Nandranto fianarana
Adino ‘lay akanjo fotsy be
Ny bika nanapa tsy mpiaina an-tanin’olona ô! ô!
Ka very izy e! ka very e! e! e! e!
Very fanahy mbola velona ô!


Fa ento mihazakazaka
Tsy misy fitsaharana
Manenjika fotoana lava tsy misy tany hiainana
Tsy misy tany hisainana
Ka ho aiza moa izay hivavahana Aminao ô!
Ianao izay any an-danitra
Mivalo ry Tompo ô!

Fa zanaka fifohazana dia niditra fifohazana
Ie…
Nanao akanjo fotsy lava be niampita ranomasina
Ie…

Nariana ‘lay fomba ‘lay fomba fanao nampiseho fa mpivavaka be
Nanara-damaody rakalakely minizipo am-potope
Mba te hanaraka ny rendrarendra sy ny haingitraingim-bazaha
Nilingilingy, nivarilavo, nipololotra sôra

Nandramany avokoa rehefa ditra ho’a
Nanao ny tsy fanao niaraka amin’ireo vazaha
Izany no heveriny ho olo-mandroso re!
Nisolosolo Rambo teny dia nisosa be

Eny ho’a e!
Lay zafindraony hira fanaony hirahiran-jareo mianankavy
Lasa Goldman, Johnny Cleg, nanjary mpihaino Kassav e!
’Lay baiboly boky famakin-drakalakely tompoko ô!
Dia nosoloany mamoafady nanjary mpamaky porno

Nandramany avokoa rehefa ditra ho’a
Nanao ny tsy fanaony niaraka amin’ireo vazaha
Izany no heveriny ho olo-mandroso re
Nisolosolo Rambo teny dia nisosa be
Eny ho’a e! e!



Narary mafy rakalakely indray andro izay e!
Nanody azy angamba reo ditra, reo ditra fanaony e!
Mivoajamala, nirediredy ho’a!
Natahotra mafy ny ho voan’ny sida
Nanonofy ratsy e!
Nanonofy ratsy rakalakely indray andro izay e!
Nofy ratsy be mbola tsy hitany hatramin’izay niainany e!
Hitany tao ry demony toka-nify ho’a
Siriny tao
Siriny tao ry belizaboba ho’a!
Dia nanapa-kevitra e!
Dia nanapa-kevitra rakalakely fa hiova e!
Hamerina indray ilay fiainany efa nikorosy e!
Nivoadivoady tamin’Andrimanitra ho’a
Tsy hamerina intsony tsy hanindroany tsy hanintelony ho’a
Hamerina indray ireo hira fanaony e! e!
Fiderana an’Andriamanitra amin’ny hira zafindraony e! e!
Amin’ny hira zafindraony e! e !


Mifankatiava e! Isika raolombelona a!
Fa...Ia ro namboatse!
Andriamanitsa ro namboatse
Zanaharin’ ny lanitse he!he! he! Sy ny tany yyyy!!!!

Ny voromanidina e! e! ’zao e ro manan’elatsa a!
Fa ...Ia no namboatse!
Andriamanitsa no namboatse
Zanaharin’ ny lanitse he!he! he! Sy ny tany yyyy!!!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 5952
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : arlovah
Daty : 27/09/2005 11:50
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113