Tsy voatery (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ekena fa maro ny olàna etsy sy eroa
Tsy ferana izay mitaraina fa ratsy tokoa
Fa mba sain-tsaino sy fakafakao kosa aloha
Iza no fositra mahatonga antsika ho lo

Tompoina ny aty, an-kalàna ny ary
Angah moa voatery ho tsara ny anao raha amin'ity
Fa kosa raha mbola ity toe-tsain-tsika ity eee!
Ho ela isika vao mba hatafita ny dia

Ref:
Tsy voatery anao ny ratsy isika leretsy e!
Tsy voatery anao ny ratsy 'zahay
Ianao voafetsy e!
(Tsy ilaina) Mihintsy ny mifankatia
(Tsy ilaina) Mihintsy ny miara-Dia
(Mandoza) Tsolotra lava izao
(Mandoza) Ny manao ny tsy fanao
(Tsy voatery) Androba ireo vazaha
(Tsy voatery) Eny, hatramin'ny O.P.K
(Tsy voatery isika anao ny ratsy)

Raha misy hetsika kely mba tianao atao
Tsolotra lava no hita ao anaty birao
Zavatra kely mba tiako ho tsindrina amin'izao eee!
Raha tia kely tsy ho mpanefoefo ianao

Raha manana ianao dia misokatra izay aleha
Fa raha faraidiny mahazo aleha mandeha!
Toetra lomorona foana toy izany ve eee!
Sa mifampitsinjova na... hoy aho enga anie

Ka tsy voatery anao ny ratsy isika leretsy e!
Tsy voatery anao ny ratsy 'zahay
Ianao voafetsy e!
(Tsy ilaina) Mihintsy ny mifankatia
(Tsy ilaina) Mihintsy ny miara-Dia
(Mandoza) Tsolotra lava izao
(Mandoza) Ny manao ny tsy fanao
(Tsy voatery) Androba ireo vazaha
(Tsy voatery) Eny, hatramin'ny O.P.K
(Tsy voatery isika anao ny ratsy)

..................

(Tsy ilaina) Mihintsy ny mifankatia
(Tsy ilaina) Mihintsy ny miara-Dia
(Mandoza) Tsolotra lava izao
(Mandoza) Ny manao ny tsy fanao
(Tsy voatery) Androba ireo vazaha
(Tsy voatery) Eny, hatramin'ny O.P.K
(Tsy voatery isika anao ny ratsy)

Ireo vahiny no misongadina ety
Ka izy ary mahay mifanampy sy mifankatia
Ny antsika izay tafita kely sintonina aty eee!
Ho inonona isika amin'ny ry l'An 2000 ry

Tsy voatery anao ny ratsy isika leretsy e!
Tsy voatery anao ny ratsy 'zahay
Ianao voafetsy e!
(Tsy ilaina) Mihintsy ny mifankatia
(Tsy ilaina) Mihintsy ny miara-Dia
(Mandoza) Tsolotra lava izao
(Mandoza) Ny manao ny tsy fanao
(Tsy voatery) Androba ireo vazaha
(Tsy voatery) Eny, hatramin'ny O.P.K
(Tsy voatery isika anao ny ratsy) (x2)
--------
Rohy:
Hevitra
Anamafaitra ( 16/11/2019 06:50)
Anisan'ny maha hafakely ny teny malagasy ny teny verindroa... Mitambatra ny fanoratana ny hoe "saintsainina". Tsy teny roa natambatra io ka hasiana tsipi-panohizana. Misaotra e.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njakatiana
Vangy : 2087
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 20/03/2018 21:18
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749