Tiako hiova (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa mba fotoana marao izay no niarahana
Nefa dia hatramin'izao ny eo ihany no eo
Ty fiainantsika efa osa mba hilana fiovana
Hanatsarana ireo ratsy efa niseho

Nataoko izay mba hahamatomatotra antsika
Adaladala foana izay no hany tinao
Nihevitrao mantsy tsy izay no lalan-kita ho antsika
Fa hifanoro izay mety aminao
Niezaka aho ny hanabe anao
Nihafy aho nisedra izay nataonao
Soa ihany fa mbola tiako ianao

Raha ianao no tiako hiova
Fitiavana izany
Ka raha izaho no sahy mampiova
Tsy manambany, fa faniriana ihany
Tiako raha ny fitiavan-tsika no hivoatra hatrany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njakatiana
Vangy : 12337
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : niainapiso
Daty : 07/11/2014 10:52
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737