Safelika (ft Onja) (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Safelika , safelika
Nahoana no misafelika

Na dia zava-miafina amin'ny fiainako
Nahoana no tsy mety lafatra isika roa
Toa manjavonjavona tsy haiko intsony ny antony
Mitsingevaheva tsy hita aza ny fotony

Raha ny fitiavako ve no efa mahenika ahy
Indrisy ho semban'ireo mpisafelika
Zaho koa anie mba sahiran-tsaina malala
Ny foko misento tsy hoe tsy te-hahalala

Fa ny fiainana ve dia tsy maintsy misy safelika
Toy ny andro mazava zay na koa ny erika
Ka isika zay mangetaheta ambonin'ny lakana
Lasa misedra tsy fidiny ireo sakana
Fa mbola misy miandrandra ny lanitra
Tsy matahotra an' Andriamanitra
Kanefa ny valin-tsafelika
Tenenina foana matetika
Raha tsisy mpisafelika tafaraka ve isika

Safelika , safelika
Nahoana no misafelika
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njakatiana
Vangy : 13457
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 12/02/2015 09:35
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119