MBOLA HAFA (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MBOLA HAFA - NJAKATIANA
Ianao mahay fa tsy dia be laza mbola hafa
Ianao mangina mandefi-dava mbola hafa e
Olon-tsotra tsy dia mba manasaro-javatra
Tena tsapa fa ianao no mahafinaritra

Mbola hafa e mbola hafa mbola hafa e mbola hafa rô
O lay e lay e lay e o lay e, O ia e mbola hafa

Ianao lay kala mahafatifaty mbola hafa
Mandresy lahatra ny ao anaty mbola hafa e
Tsy be fihaingo fa no tena manja
Tsy miavona kanefa manan-danja

Mbola hafa e mbola hafa mbola hafa e mbola hafa ndry
O lay e lay e lay e o lay e, O ia e mbola hafa

Ilay tranon-drazana misy antsika mbola hafa
I gasikara malalantsika mbola hafa e
Midadasika mbola maro maitso mavana
Tsisy olon-kafa fa tsika eto dia mpihavana

Mbola hafa e mbola hafa mbola hafa e I gasikara rô
O lay e lay e lay e o lay e,O ia e mbola hafa
Tena hafa ihany ianao @maha izy anao
Tena kanto tsar ery mbola hafa ny aty
(Tandovy sy hajao e) ny tany misy anao e
(tazomy f’aza ariana e) tandremo aza variana
(ampianaro ny hafa) aza dia mihafahafa e
Tohizo hatrany hatrany
(instru)

Mbola hafa e gasikara mbola hafa……………..
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njakatiana
Vangy : 2782
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : iriana.ranaivo
Daty : 27/07/2017 12:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718