You are here: home > Tononkira > Njakatiana

Hiara-dia (Njakatiana)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Njakatiana
Mpamaky : 2722
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 24/08/2003 14:22:29
ID : 1892

Imprimer Facebook Facebook
(Duo avec Nanie)

Aza asiana ahiahy
Ny fihestik’ireo tsy tia
Te handrava ilay fitia, izay kasaina ho doria
Na izaho sy ianao, dia sanatria ny hifandao
Tsy hisy intsony ahasakana, fa hitohy hatrany am-pasana
Hiara-dia, hiray saina, hiray fo
Hanaja ilay fitia, vonona hifankatoa
Hiara-dia, hifanampy, hifanasoa, hifandefitrtononkira.serasera.orga tokoa
Tsy hifanao an-dolom-po....

Ary izaho sy ianao
Dia toy ny olona iray
Fo iray vaovao hitempo mandrakizay
Hiara-dia, hiray saina, hiray fo
Hanaja ilay fitia, vonona hifankatoa
Hiara-dia mandrakizay
Hiara-dia mandrakizay.....

Atolotro ho an’ilay olona tena tiako izay "Piso"...Je t’aime
Enga anie ka hiara-dia mandrakizay isika....

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo