Fo Vato (Njakatiana)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Njakatiana
Mpamaky : 2375
Nampidirin'i : dd
Tamin'ny : 24/10/2006 18:45:09
ID : 3971

Imprimer Facebook Facebook
Tsy miova tsy afindra
Efa fo vato ny ahy
Na ny saina amam-panahy.

Ianao no tiako indrindra
Fa tsy mba nahasarika ahy
Ireo izay toa anao fa sahisahy.
Raha ny hasambarana
Sy fifaliana
Dia tsy nisy fa,

Miandry anao foana aho
Ho tia anao foana aho
Na dia tsy mba miraika hatrizao
Raha toa ka hisy na tsy hisy izany
Raha mbola tany koa ny tany
Ny faniriako anao dia tsy ho lany ...

Tsy miova tsy afindra ...

Miandry anao foana aho
Ho tia anao foana aho
Na dia tsy mba miraika hatrizao
Raha toa ka hisy na tsy hisy izany
Raha mbola tany koa ny tany
Ny faniriako anao dia tsy ho lany ...

Njakatiana

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo