Embona (ft. Nida) (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa injay lavitra ianao
Toa mandà tsisy mety izay atao
Mangahiahy, ranomaso raraka
Ny fiainako eny inoako fahavaratra

Hatramin'izay nandehanao
Zara aho raha mitsiky hatr'izao
Mitamberina ny ora niarahana
Ny alahelo no mibahana

Tsy fantatro intsony izay mahazo
Embon'ny fitia nanjary tazo
Mangovitra ny fo, tsy hita ho fihinina
'Zany angamba no fanala very ririnina

Mino aho nefa izao tsy aharitra
Ho avy ianao vony hitondra hanitra
Any andro iray ny volana hihaona
Ho tojo ny andro lohataona

Tsy ny fotoam-pijinjana eny am-parihy
Arahin'ny siokam-boronkely mandihy
Fa izaho sy ianao miaraka mikalo
No teny koa toy ilay fararano

Tsy ny fotoam-pijinjana eny am-parihy
Arahin'ny siokam-boronkely mandihy
Fa izaho sy ianao miaraka mikalo
No teny koa toy ilay fararano
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njakatiana
Vangy : 5583
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Bditra
Daty : 07/03/2018 11:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727