Ampy izay (Niu Raza)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nety taminao ve ny hatsarako
Tsy nety taminao ve lay fitafiako
Nataoko ihany izay nampifaliana anao
Fa zavatra hafa indray no nanintona anao

Indraindray toa manontany tena ihany
Mba inona ary no nitiavako azy?
Lasa adala aho sa ny saina no very?
Toa tsy haiko tsy haiko tsy haiko!

Lany fotoany eto aho hieritreritr’azy
Izy efa an’olon-kafa izay ny fony
Ny tena moa tia ka atao ahoana fa marary
Fa ampy izay

Ny aminao iny e
Ho ariako toy ny fako
Anaty antsana any iny e
Ny aminao iny e
Raha mbola iverina ngamba
tsy hisy instony iny e

Fa ok’izay tomany
Raha any aminao Tsy ataoko intsony
Fa avelako ianao Hitomany
Amin 'ireo neniny ho tsapanao indray andro any

Mba Tia anao ve izy
Mba hainy ve ny miaino anao
Mba mihomehy ve izy
Mijery ireo adalanao
Mba mataty ve izy
Maheno ireo ditranao
Mba mijanona ve izy
Rehefa tsy mety ny ataonao
Mba Tia anao ve izy
Mba hainy ve ny miaino anao
Mba mihomehy ve izy
Mijery ireo adalanao

Saino ihany
--------
Rohy:
Hevitra
hertman.rakoto ( 15/07/2017 21:13)
tiko eh!!!ts haiko raha izao n ts mahay mihaino f Symphonique tsar ilay feony!
Any enw zay r MAHUELLAH mitov b n feonarw
Ratsiferana ( 08/08/2017 14:14)
Tsy dia tiako le feony
NAMBSDOLLY ( 17/08/2017 17:14)
Tiko le vazo.. le tononi ko tsra
mitsikyfitiavana ( 14/09/2017 09:13)
tsar le ira.... fa le feon afa2 be
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Niu Raza
Vangy : 56206
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/08/2015 12:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115