Elo be (NISEA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Haiko fa ao ambony ao mitazana ahy hianao
Manolotra ahy zay ilaiko
Sy izay mahatonga ahy manahy, mandoro ny fanahy
Lokoinao manga mba tsy handifotra ahy

Masoandro maraina, mandena ny andro maina
Manome aina hadio mandrakizay
Satria isan'andro vao mihiratra ny maso
Dia hazavana tarafiny mafana

BR
Ahafantarako fa misy na tsy hita
Mahagaga fa mino aho satria
toy ny rivotra mitsoka ny maso

REF
Mbola ho any indray rehefa hiala amin'ny tany
Ao am-poko ihany fa tsy lavitra izany
Ny mety hahatonga ahy any ambony rahona any
fa ny orako ety dia isaina ihany
Tsisy antenaiko raha mbola ety ambany
Maso efa ritran'ny ady sy tomany
Miandry azy hanokatra ny elo hialofako
Tsy angatsiaka aho tsisy ahiahy

Misy rahona sy volana mitsilo amin'ny alina
Saingy sarobidy noho ny hitantsika ny ao ambadika ao
Fa trano masina tsy mba manan-tsiny
Miantomboka ety ilay fanalahidy
hamoha ny lanitra ho an'izay mahitsy
Handray ny mangidy, hanomboka hifidy
Ny lalan-tery sa ilay be mpitia

BR

REF

Madio aho izay vao hiala ety
Mino aho na dia tsy mahita
Fa ampy ahy ny azoko hatrizay
Sitrako mandrakizay

Haiko fa ao ambony ao mitazana ahy hianao
Manolotra ahy zay ilaiko
Sy izay mahatonga ahy manahy, mandoro ny fanahy
Lokoinao manga mba tsy handifotra ahy

BR

REF
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NISEA
Vangy : 1481
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : niseaofisialy
Daty : 23/06/2017 15:35
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126