Alohan’ny hikimpiako (NISEA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sary ny aiko, azo itsahina
Fa raha omeko lokony hanjopika, sarobidy

isa-maraina aho manontany, ny diako eto an-tany
fa ny valiny, tsarain'ny ho aviko ihany (amin'izay atao anio)
Raha toa misy asa miandry ahy
na ara-nofo na aram-panahy
Tsy hanenina aho manokatra ny maso

BR

Hefaiko ny adidy fa tsy haiko ny ampitsoko

REF

Satria nindramiko ny tany, hamerina azy aho indray androany
Tsisy ny ho mandrakizay (ny hiavian'ny androko tsy hay)
Ka raha nomenao andro ihany, tsy hanamparako tomany
hamafazako ny mamy, hamafa ranomaso

Tsy fantatro ny miandry ahy fa hiainako ny anio
fa ny haiko dia misy antony izay ho avy (sy izay lasa efa niseho)
Misafidy aho hanao ny tsara, mahatoky fa manana anjara
Fa raha haizina dia fantatro ny miandry

BR
REF

Na iza mahavita manimba, hangina aho
Fa misy ny fitia manampy ahy

matetika aho no lavo
fa miarina ny marina
tsy voagejan'ny ota izany
fa misy aloka tsy maintsy hadino
mandrapaha oviana
Adiko amin'ny haizina tsy ho vita

Mandresy izany aho, ra mino fa
Raha misy tahotra
Tsy manadino fa ny olana hisava

Tiaviko ny Raiko tompon'ny aiko
sy manome rano hanamando ny taniko
ny ray sy reniko hajaiko satria niahy
--------
Rohy:
Hevitra
goodnssgirl ( 01/07/2017 14:22)
How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NISEA
Vangy : 1199
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : niseaofisialy
Daty : 23/06/2017 15:34
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0182