SAMIA MAMOY (Nirina-R)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitia feno tsy mba nanalana
Io no natolotro anao
Ka mba ho sambatra no fikasana
F'efa eo akaikinao

Hay ny fonao misy efitra
tany ambadika tany
Ka na nataoko aza ny handefitra
Toa tsy ho tantiko izany

Azafady aho fa hiala aminao
Na dia efa maro aza no efa natao
Fa raha fitia tsy matotra
Aoka sao mamatotra

Raha tsy niteny aho dia angamba ho diso
Fa ianao no mafy loha
Fitia avy koa atao risoriso
Iza no nanam-po

Ireo teny mamin'ny fiarahantsika
Eo imaso dia hoe
Hay ity ianao ity ka joko tsoriaka
Mody mba hendry be

Izaho akory tsy hamaly faty
Tsy hitahiry alahelo anaty
Fa ny amintsika tsy afaka hitohy
samia mamoy

A/C: RAKOTONIRINA Désiré
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nirina-R
Vangy : 1253
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nirina-R
Daty : 18/04/2017 10:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741