You are here: home > Tononkira > Nirina-R

SAMIA MAMOY (Nirina-R)

Fitia feno tsy mba nanalana
Io no natolotro anao
Ka mba ho sambatra no fikasana
F'efa eo akaikinao

Hay ny fonao misy efitra
tany ambadika tany
Ka na nataoko aza ny handefitra
Toa tsy ho tantiko izany

          Azafady aho fa hiala aminao
          Na dia efa maro aza no efa natao
          Fa raha fitia tsy matotra
          Aoka sao mamatotra

RaTsiky dia ampyha tsy niteny aho dia angamba ho diso
Fa ianao no mafy loha
Fitia avy koa atao risoriso
Iza no nanam-po

Ireo teny mamin'ny fiarahantsika
Eo imaso dia hoe
Hay ity ianao ity ka joko tsoriaka
Mody mba hendry be

          Izaho akory tsy hamaly faty
          Tsy hitahiry alahelo anaty
          Fa ny amintsika tsy afaka hitohy
          samia mamoy

A/C: RAKOTONIRINA Désiré

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Nirina-R
Mpamaky : 93
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Nirina-R
Tamin'ny : 18/04/2017 10:20:12
ID : 9371

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo