ROBOKA (Nirina-R)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia roboka aho nandray ny fonao
Efa revo ery fa hoe tsy kilalao
Dia natolotro ny amiko rehetra
Tsy mba fantatro ianao nanafi-toetra

Nantenaiko ianao fa hoe ahy irery
Indrisy anefa indrisy fitia fangala-piery
Ny lalana aleha toa misimisy ahiana
Hay ianao ity ve ka manana olo-tiana

Fiv: Tsikitsikinao sariaka no nambabo ahy
Fa t'anatinao dia feno haratsia-panahy
Ireo fihetsikao mody miravaka fitia
Nefa hodi-janak'ondry tafian'amboadia

Faly ery nahazo fa bika sy tarehy
Hay ny mahalala efa nihomehy
Dia afa-baraka ho an'izay nahita
Nefa atao ahoana izay aloha no vita

Tsy tomany aho tsy hitomany anao
Mino manantena hafa vaovao
Atao toy ny ts'isy sady efa rava
Ny todim-pitia kosa manodiava

A/C: RAKOTONIRINA Désiré
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nirina-R
Vangy : 1553
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nirina-R
Daty : 18/04/2017 10:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731