You are here: home > Tononkira > Nirina-R

ROBOKA (Nirina-R)

Dia roboka aho nandray ny fonao
Efa revo ery fa hoe tsy kilalao
Dia natolotro ny amiko rehetra
Tsy mba fantatro ianao nanafi-toetra

Nantenaiko ianao fa hoe ahy irery
Indrisy anefa indrisy fitia fangala-piery
Ny lalana aleha toa misimisy ahiana
Hay ianao ity ve ka manana olo-tiana

         Fiv:      Tsikitsikinao sariaka no nambabo ahy
                     Fa t'anatinao dia feno haratononkira.serasera.orgtsia-panahy
                     Ireo fihetsikao mody miravaka fitia
                     Nefa hodi-janak'ondry tafian'amboadia

Faly ery nahazo fa bika sy tarehy
Hay ny mahalala efa nihomehy
Dia afa-baraka ho an'izay nahita
Nefa atao ahoana izay aloha no vita

Tsy tomany aho tsy hitomany anao
Mino manantena hafa vaovao
Atao toy ny ts'isy sady efa rava
Ny todim-pitia kosa manodiava

A/C: RAKOTONIRINA Désiré

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Nirina-R
Mpamaky : 120
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Nirina-R
Tamin'ny : 18/04/2017 10:19:48
ID : 9372

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo