IZAO LAZAINA AZY (Nirina-R)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inona no mbola mahamay azy amiko
Sa ve mbola tsy ampy ireo nataony tamiko
Efa ts'isy intsony ifandroizako aminy
Tapaka fa ts'isy maminy

Izaho lazainao azy e, raha mbola anontaniany
Mihevera tena hoe f'ianao efa tsy tiany
Matoa tsy valiana ô taratasy mifanesy
Tokony ho tsapany fa diso adiresy

Ataony inona indray izay momba ahy
Sa mavesatra aminy ny enjiky ny tsiahy
Tsy adalana akory ny nanaovako ny tsara
Raha manenina izy efa tara

Izaho lazainao azy e, raha mbola anontaniany
Mihevera tena hoe f'ianao efa tsy tiany
Matoa tsy valiana ô taratasy mifanesy
Tokony ho tsapany fa diso adiresy

Izao hanampy izay a raha mbola tadiaviny
Manaja be azy hono hoe ilay vao notiaviny
Aza mandrera-tena ô manezaka taraina
Raha izy no antenaina dia ny bozaka isaina

A/C: RAKOTONIRINA Désiré
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nirina-R
Vangy : 1261
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nirina-R
Daty : 18/04/2017 10:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719