Ka ampijalia (Nina's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iha lehilahy zaho ampela
Fa ny mifanambanimbany
Lehilahy tsy mba mahatsiaro tena
Tsy mihevitra ny tany niboahany
An-tegna sahiragna miafy
Tsy mahatagna azy mampirafy
An-tegna mba manaja tokantrano
Tsy moly an-trano iha laha tsy mamo
Manan-dreny iha, manan'anabavy
Tsy tokony ampijalijaly vady ialao amin'izay
Azafady hajanony fa tsy mety manitsakitsa-bady

Tsy ampijaliana koa ny nangalanao ahy tamy ray aman-dreniko
Na hanin-kohanina na fitafia
Tsy nialako amin-tranon'i mamako tany e
Tsy ampijalia koa ny nangalanao ahy tamy ray aman-dreniko tany e oi e
Laha iha tsy ankilako e mivolagna
Fa ka manaonao fahatagny e

An-tegna sahiragna miafy
Tsy mahasakana lehilahy tsy hampirafy
An-tegna mba mananja tokantrano
Tsy mody an-trano iha laha tsy mamo
Iha lehilahy zaho ampela
Tezitra amin'ny raha tsisy dikany
Lagilagy boaka amin'ny sipany
An-tegna no voatabataba analana tsy nahy
Tena mahagaga
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nina's
Vangy : 10474
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 22/02/2015 15:02
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105