NY RANY (New Life in Christ Gospel (NLC))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Avia mifalia
Fa vaovao mahafaly izy ity
Tsy sandaina vola na harena
Fa ny Rany no nomeny
Nanavotany ahy sy anao
Namelomany koa ny fanahy
Izaho, ianao, tsy navahany isika
Fa tiany handova ilay paradisa

Ref :
Ny Rany(ô ô ô ô)! Ny Rany
Ambarao fa ny Rany, ny Rany e he!
Torio sesilany fa ny Rany
Antoky ny namonjeny ahy sy anao
Sy fiainana mandrakizay

Tazano sy banjino
'Lay hazo fijaliana
Teo no nandatsahana ny Rany
Io ilay fanekena vaovao
Namelany ny heloko
Nanasany ny otanao
Avia manatona izay te ho afaka
Fa Jesosy Tompo Mpanafaka

Ref...

Ref...

Ny Rany, ny Rany, ny Rany...(8*)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : New Life in Christ Gospel (NLC)
Vangy : 641
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Malala_soa
Daty : 31/07/2018 17:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4801