New Life (New Life in Christ Gospel (NLC))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiainam-baovao no omeny,
Ho an'izay rehetra mino Azy ety.
Fiadanam-po no ao Aminy, sy fifaliana sesi-lany,
Fa malala eo imasony sady tiany.

Fiainam-baovao no omen'i Kristy,
Ho an'izay rehetra mino Azy ety an-tany.
Fiadanam-po no ao Aminy, sy fifaliana sesi-lany,
Fa malala eo imasony sady tiany.

New life, miova avokoa ny toetranao,
Ô, new life, tsisy ahiahy ny hoavinao.
Apetraho Aminy dia ho voavonjy ianao,
Raha manaiky anao anio, raiso Izy.

Tano Tompo ô ny finoako,
Hiorina Aminao hatrany hatrany.
Ampitoero aminay ilay Fanahy Masinao.
Hampahery anay Izy, hampianatra anay hanao ny sitrakao,
Ka ho tonga zanakao izahay.

Tano Tompo ô ny finoako,
Hiorina Aminao hatrany hatrany.
Ampitoero aminay ilay Fanahy Masinao.
Hampahery anay Izy, hampianatra anay hanao ny sitrakao,
Ka ho tonga zanakao izahay.

New life, miova avokoa ny toetranao,
Ô, new life, tsisy ahiahy ny hoavinao.
Apetraho Aminy dia ho voavonjy ianao,
Raha manaiky anao anio, raiso Izy.

New life, miova avokoa ny toetranao,
Ô, new life, tsisy ahiahy ny hoavinao.
Apetraho Aminy dia ho voavonjy ianao,
Raha manaiky anao anio, raiso Izy.
Raha manaiky anao anio, raiso Izy.

Raha manaiky anao anio, raiso Izy.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : New Life in Christ Gospel (NLC)
Vangy : 1351
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RRkt
Daty : 03/03/2017 11:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6582