Mifohaza ianao (New Life in Christ Gospel (NLC))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ny fiainako teo aloha
Dia fiainana tanaty filana
Tsy nahatsiaro tena aho indraindray
Fa dia nanara-po t@ fahalotoana

Tonga tamiko, ilay teninao
Ka nitory ahy, fa lzao ilay mpanota
Nampangoraka ahy
Ilay tantaranao
Ka nitehatratra aho avy eo
Dia nitomany
Fa diso teo Aminao

Ref: Jesosy o
Raha ny amiko, tsinontsinona
Ny fahorianao tsy nahoako
Miantso ahy Ianao anio
ialao re ny ratsinao, ka ario
Mifohaza ianao, fa aza matory
Miandry fona Izy
Mifohaza ianao...

Tapakevitra aho fa foiko daholo
Ireo toetra tsy nambolenao
Tonga vavolombelonao aho
Amin'izao tontolo, misy izao
Fifaliana ato amiko
Ireo toetra taloha efa adino avokoa
Voasasanao ny tenako
Tamin'ilay rànao soa
Misaotra Anao fa feno loatra ny fo

Ref: Jesosy o ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : New Life in Christ Gospel (NLC)
Vangy : 1425
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Malala_soa
Daty : 30/07/2018 18:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7169