Hankatoa Anao (New Life in Christ Gospel (NLC))

Raha toa mandalo ady sarotra ianao
Hevero foana fa fisedrana
natao ho anao,mba hiorenanao
Koa mitrakà,
fa ny Tompo tsy mba mahafoy anao tokoa
fafao ny ranomaso ka mifalia.

Raha toa mandalo ady sarotra ianao
Hevero foana fa fisedrana
natao ho anao,mba hiorenanao
Koa mitrakà,
fa ny Tompo tsy mba mahafoy anao tokoa
fafao ny ranomaso ka mifalia

Refrain 1 :
Hisaorako eram-po Ianao,
fa nampitraka ahy.
Tsy nohisainao ny hadalako
Namindranao fo ihany aho,
Raiko tia.
Tsy ho lavo intsony aho fa miankina Aminaotononkira.serasera.org.

Tianao aho,
ka natsotranao ny tananao
hanafaka sy hiaro ahy,
Amin'ny adim-panahy
mba tsisy ahiahy.
hanjakao aho,omeo fo madio
sy toem-panahy araka Anao tokoa.
Ka hankatoa Anao aho sy ho tia Anao.

Refrain 2 :
Hanandratra Anao aho,
fa novonjenao ihany.
tsy ho kivy intsony aho satria,
feno Anao ny fiainako,Raiko tia.
Hitondra fiainam-baovao indray
ilay Jesoa tia.

Refrain 1 :
Hisaorako eram-po Ianao,
fa nampitraka ahy.
Tsy nohisainao ny hadalako
Namindranao fo ihany aho,
Raiko tia.
Hitondra fiainam-baovao indray
ilay Jesoa tia.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : New Life in Christ Gospel (NLC)
Mpamaky : 141
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Youme
Tamin'ny : 12/06/2018 20:28:38
ID : 10666

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo