You are here: home > Tononkira > Ndrina Zopanage

Vizaka ny vahoaka (Ndrina Zopanage)

Tena noana sy mijaly izahay vahoaka
Tsy hita intsony izay aleha, mampisafoaka
Ireo mpitondra toa manilika,
Izahay ambany toa atsipika
Mbola ho avy andro ilay fotoana, ndeha hitroatra

Ny hany mba azo atao
Dia miantso ny Avo lava izao
F’efa vizaka miady amin’ny tononkira.serasera.orgfiainana
Ka aleo miondrika,
Mitady Anao.

Koa mba tahio sy tantano anie zahay
Ho sambatra sy hihinana,
Ny ho avy no hobanjinina
Mbola ho avy ilay fotoana, ndeha hitroatra

Ny hany mba azo atao
Dia miantso ny Avo lava izao
F’efa vizaka miady amin’ny fiainana
Ka aleo miondrika
Mitady Anao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ndrina Zopanage
Mpamaky : 699
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 07/02/2017 10:57:00
ID : 9140

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo