You are here: home > Tononkira > Ndrina Zopanage

Vavaka (Ndrina Zopanage)

Raha manoloana fefy avo
Mifikitra fa mitady ho lavo
Dia fantatro fa ao ny Tànanao Mahery
Handray sy hitantana ahy, hanome hery.

Raha toa hirodana izay naoriko
Ho very hatramin’ny fanahiko
Tsy hitarainako f'izany ny eto an-tany
Androany aho hifaly, rahampitso hitomany

Ny Fitiavanao,
Tsara Ianao,
No mahatonga ahy ho toa izao
Eo aniTsiky dia ampylanao, Tompo ô

Raha sendra tafiotra ny sambo
Fefika efa ho anivon-drano  
Aminao ihany no apetrako ny diako
Hamonjy tany maina, hamaly saina

Raha manilika ahy izao tontolo izao
Ho be ny mpankahala, mety hankalao
Dia vavaka Aminao no ataoko ampinga
Sanatria izay handringa

Tompo ô,
Ny Fitiavanao,
Tsara Ianao
No mahatonga ahy ho toa izao
Eo anilanao, Tompo ô

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ndrina Zopanage
Mpamaky : 994
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 25/05/2017 09:02:14
ID : 9671

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo