Ny masonao (Ndrina Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza afenina ahy ilay masonao,
Mba hamakiako ny vetsom-ponao,
Fikalokalonao ho ahy,
Ao no hakako toky,
Teny fitiavana mamehy antsika izao

Ngonony an-tsofiko mora ho ahy
Vetson’ny fonao malefaka fiangaly,
Ny feonao mampangorintsina mambabo
Fo sy fanahy hahita lanitra avo.
Fa ianao ho ahy, hokoboniko fa ahy

Aza afenina ahy ilay masonao,
Mba hamakiako ny vetsom-ponao,
Fikalokalonao ho ahy.
Ao no hakako toky,
Teny fitiavana mamehy antsika izao

Ny vatantsika hiara-hihovitra,
Fitia mira zotra, ‘ndeha hitambatra
Fitepom-po miara-mirindra
Fitiavana tsy azo afindra
Fa ianao ho ahy, hokoboniko fa ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ndrina Zopanage
Vangy : 1880
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/06/2017 15:42
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114