Tsy fanah'iniako (Ndondolah sy Lucia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tena notiaviko @foko mihitsy izy iny
Tsy mba nasiako fihatsaram-belatsihy
Fa dia nomeko azy daholo izaho manontolo
Hafantarany f’izaho tena tia

Dia mba noentiko @ny akamakama
Dia nilazako koa ry dada sy mama
Izy no tiako, fa ny loza zareo
Zava-doza no nafitsony avy eo

Refrain:
Fa tsy fanah’iniako, ny fitiavako ihany no mahatonga izany
Fa dia sanatria te hanala baraka ny tenako aho
Zaho nie mba gaga fa maninona no nitsiry tao ilay fitiavako azy
Ny any anatiko any no mibaiko ilay fitiavako tsy voatàna
(x 2)

Tena tsy zakanao mihitsy ilay fitia
Tena naseho olon-kafa mihitsy
Ilay fihetsikao toa manorisory ahy
Ilay fijerinao toa mampite hamono ahy

Efa nasehoko ny fianakaviana
Itantarako izay faniriako any
Izy no tiako, fa ny loza zareo
Zava-doza no nafitsony avy eo

Dia sahinao ve ny nampijaly ahy
Fa tsy olon-kafa fa akaiky ny fo
Dia sahinao ve ny nampirafy ahy
Fa tsy mba hafa fa namana tsy foiko

Dia sahinao ny hanala Baraka e!
Ilay fitiavantsika hatramin’izay
Fa raha ny tianao izany no atao
Dia izahay ho atambatra ho iray

Refrain….
--------
Rohy:
Hevitra
falcaofalyrasoanaivo ( 29/11/2014 07:57)
tsar b le vazo a
srandrianasolo2 ( 13/12/2014 06:09)
Merc e,!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ndondolah sy Lucia
Vangy : 18598
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : McLeo
Daty : 02/11/2014 17:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719