You are here: home > Tononkira > Nate Tex

Tantara Mamy (Nate Tex)

Tsapanao ve fa matoa isika roa miara-dia
Misy lalana mitondra ritsoka fitia
Izaho tsy hiala e, tamàna mitantana an-dry
N’aiza aleha, ny hanàry anao aloha sanatria

Renao koa ve ity fo midobodoboka
Rehefa iny ianao manantona manoroka ahy
Mamiko anie ilay feonao mangovitra
Manambara fa ny ankoatra anao tsy harombaka ahy

Ho averimberiko eto androany satrtononkira.serasera.orgia Tantara Mamy ho ahy :

Ny angolanao, ny masonao mijery mibanjina ahy irery
Tsy foiko ho zaraina, na dia bitika aza mamy toa tantely
Molotrao malandilandina fihiniko ho ahy irery

Ny hanitrao koa, ny feonao miteny hoe «Ndriii», mitazona ahy ireny
Laviko hitambarana na sombiny aza mandroatra fitia
Ilay tsiky mitsilopy mamiko sy fy ery, hiroso hatrany ny dia

Fa Tantara Mamy …

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Nate Tex
Mpamaky : 218
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : JoharyGata
Tamin'ny : 10/03/2019 17:42:18
ID : 11472

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo