Mahatalanjona (Nate Tex)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy haiko aloha ny anao fa ny amiko efa lafatra
Ra fitiavana no resaka dia feno be dia be
Satry foana anie ry tiako hiala sasatra
Hamihina ny vatanao handray dia hanome
Hizara fitia
Eo anilanao no tiako hisy ahy
Eo akaikinao no mahatsara ahy
Hiriako ho doria
Ny ahy sy ianao fa 'zao

Matalanjona ahy foana
Ilay isika roa rehefa mihaona
Fidoboky ny fo
To lasa iray ilay roa
Eoahhh
Raha tsapanao ny tsapako
Fihino ary ny tanako
Avia an-tratrako, ho lasa iray ilay roa
Eoahhh

Dia tsy andry foana hoe rahoviana indray no hiaraka
Hibanjina ny hakantonao, ilay hatsaran-tarehy

Tsongotsongonao toa lasa fahazarana,
Nitondra tsirom-piainana
Hafenoina tsy anindroa
Fa hainao ny mizara
Hainao koa ny mitàna
Mitahiry ireo tsiambarateloko

Matalanjona ahy foana
Ilay isika roa rehefa mihaona
Fidoboky ny fo
To lasa iray ilay roa
Eoahhh
Raha tsapanao ny tsapako
Fihino ary ny tanako
Avia an-tratrako, ho lasa iray ilay roa
Eoahhh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nate Tex
Vangy : 27322
Mpankafy : 6 Ankafizo
Nampiditra : TaxNat
Daty : 07/12/2017 15:01
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109