Pasitera (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Pasitera hafa toetra no Mpitandrina anay,
Tsy mba toy ny rehetrarehetra ka mahasorena indraindray!
Ireo Mpiara miangona aminay ,miha vitsy noho izany !
Ilay Pasitera mantsy anie ka toa mitady ho be vinany!

Tompo ô! Tompo ô! henoy izao vavako izao !
Tompo ô! Tompo ô! Vonjeo re ny Fiangonanay!

Ny Fiangonanay ety hialokalofan'Amboadia!
Hanoro làlana any no antondiany tety !
Izy kay Mpiandry ondry miantso Bibidia!
Izy kay ho'a Mpiandry ondry miantso Bibidia!

Tompo ô! Tompo ô!henoy izao vavako izao!
Tompo ô!Tompo ô!vonjeo re ny Fiangonanay!

Fitafiana manan-kasina no fahita eny an-kodiny,
Kabary fa tsy teny masina no maha mailaka ny molony.
Izy loham-pary indray no tsy mamy fa matsatso!
KA SOLOY AVY HATRANY FA AZA ASIANA ANDRASO ANDRASO!

Tompo ô! Tompô ô! henoy izao vavako izao !
Tompo ô!Tompo ô!vonjeo re ny Fiangonanay!

Baiboly no eny an-tratrany ,balaoasy no ao am-bavany
Teny soa no noteneniny hay Sipa kely no notetehiny,
Volanay natao rakitra najifa lany tapitra !
Ny volanay ho'a lanin-drakitra ny paikan-adiny tsara rafitra!

Tompo ô! Tompo ô! henoy izao vavako izao!
Tompo ô! Tompo ô!mba vonjeo re ny Fiangonanay!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 1626
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 24/02/2015 23:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125