Indrisy (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miala tsiny aho aloha raha toa manakotaba,
sy mamoha anao amin 'ny torimaso mamy.
Tsy izany mantsy anie,fa misy vaovao,
vaovao lehibe tiako ho lazaina anao.

Tsy tafandry mandry aho satria nahoana hoy ianao,
misy sombin-tany ao Antsimon-drano ao.
Tany kely iray e!angamba tadidinao,
noresahan-tsika foana e!fony fahavelonao.
resa-dresan-tsika foana e!fony fahavelonao.

Niriako mantsy izy iny,mba hitondra ny anaranao,
indrisy anefa Dada o!ilay nofy anie dia rava,
fa sakan-tsakan-dava,miampy tabataba,
ireo namanao fahiny no manakana azy iny!
namana mpiara-niasa nanadino ny efa lasa.

Raha mbola teo ianao dia gadragidra be ny an-tsika,
Ianao mantsy tsy hanaiky ireo mpanosihosy an-tsika
Indrisy anefa Dada o!ianao dia efa lasa!
ka nahazo laka i Marie jo sy Razaka,
o!nanajakazaka ny ekipan-dry Razaka.

Izay ny momba an'iny fa resaka hafa indray izao,
ny Faravavinao anie dia efa Dokotera,
Dokoteran-jaza,mpitsabo zazakely,
ho salama lalan-davaireo zaza mena vava,
ho salama lalan-dava ireo zaza mena vava!

Rajops kosa aloha na dia hoe mazàn-doha
dia nahavita soa aman-tsara ny fianarana nataony.
Falifaly i Maman nanatrika mémoire,
tsy nanala baraka ny anaranao ry Dada,
tsy nanala baraka ny anaranao ry Dada!

Raha mbola teo ianao dia arrosage be ny an-tsika,
labiera,masikita,tsakitsaky sy ny sisa.
Ny an 'i Maman kosa angamba tadidinao ,
ranom-boankazo mamy sady mangatsiaka,
ranom-boankazo mamy sady mangatsiaka.

Izay aloha ny androany fa dia mirary soa,
ny fiadanana anie ka homba anao hatrany.
Razana hitahy hampitsahatra tomany,
ka tsy hanadino anay ety ambony Tany!
AZA MANADINO ANAY E!ETY AMBONY TANY

NANTENAINA (hira ho atolotro an i Rakotonirina Roberson Papako izay efa nody mandry)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 2325
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 31/10/2014 23:01
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4124