Ho avy ilay maraina (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha vao maneno akoho,tsy maintsy mifoha,
mandao ny fandriana ,f'efa leo fijaliana.
Tsy maintsy mihafy aloha,raha hikaroka ny soa,
raha vao maneno akoho dia voatery indray mifoha.

Hikaroka hitady satria mbola mafy ady e!
hikatsaka ny anjara ,hitsinjovana ny afara.
Mazamazana ny ady,fa ny vola moa fitady,
tsy mahazo mitaraigna e!fa mbola ho avy ny amaraigna

Dia karaha an'izegny fogna fogna ny fiainana mandavan-taona
tsy misy aby ny mba andro fady na asabotsy na alahady?
Izaho mino fa indray andro agny ,mbola ho sambatra migna ny tany e!
Kanefa koza mialoha an'izany e!trongiso tsara ny tany!

Aza mifidy asa,kofa vola d'efa lasa,
ny zava-dratsy koza aloha tsy tokony atao an-doha
Dia mitadioava foana foana ,hialana @ kibo noana,
ka raha vao mangiran-dratsy e! tsy maintsy mifehy vatsy

Aza mba mora sasatra na dia hoe mitrongy tatatra,
aza mba mora kivy sao tsy mihinana ny ankizy
dia mitadiava foanafoana ialana @ kibo noana,
tsy mahazo mitaraingna e!fa mbola ho avy ny amaraigna!

Zagnahary Mahery o!Tsinjovy izahay sao very
ela loatra ilay maraina ka tonga mba hitaraina e!
Mba hiatomboka ety an_tany ,izany Paradisa izany
Ianao no tavandrainay hampamiratra ny maraina!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 2211
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 31/10/2014 23:02
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121