You are here: home > Tononkira > Nanie

Tsy misy azo atao (Nanie)

Aza tantarainao ahy
Ny mety ho adalany fa izaho mbola tia azy
‘zay rehetra ambaranao ahy
Dia heveriko ho toy ny vazivazy

Avelao aho fa aza miroroa saina
F’izaho sy ny fitiavako no miaina
K’aza simbaninao fandrao haningotra ny aina

Ref: N’inoninona ataonao
Na koa hoforoninao
Hatramin’izay ka hatramin’izao
Tia azy foana aho
Mety ho marina ny anao
Nefa hiriko hatsahatrao
Satria ady tsotr’izao
Tsy misy ny azo tononkira.serasera.orgatao

Tena namako ianao
Ka aleoko miangavy no atao
Raha toa ka sitrakao
Dieny mbola tiako ianao

Avelao aho fa aza miroroa saina
F’izaho sy ny ny fitiavako no miaina
Aza simbaninao fandrao haningotra ny aina

Ref : N’inoninona ataoanao
Na koa hoforoninao
Hatramin’izay ka hatramin’zao
Tia azy foana aho
Mety ho marina ny anao
Nefa iriko fa atsahatrao              
Satria ady tsotr’izao                
Tsy misy ny azo atao
Aaah … eeh

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Nanie
Mpamaky : 256
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : myhtsuh
Tamin'ny : 11/05/2018 21:55:48
ID : 10598

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo