Tsy ho ahy ianao (Nanie)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indraindray misy teny tsy tsaroanao
Mandrotik aina mankarary fo
Fa teny mamy, zary ompa sy ozona
Latsaka anaty ao am-po
Nefa atao ahoana moa
Satry tokoa isika roa
Ho tafara-dalana indray
Izaho sy ianao, hifandao
Tsy ho ahy ianao

Reo tsiky ho adala
Fihevitrao toa fihevi-jaza
Mahalasa saina mahavaky loha
Fitia voarara, fitia voaozona
Marary anaty, tia tokoa
Nefa atao ahoana moa
Satry tokoa isika roa
Ho tafara-dalana indray
Izaho sy ianao, hifandao
Tsy ho ahy ianao

Indraindray misy teny tsy tsaroanao
Mandrotik aina mankarary fo
Tsy teny mamy, zary ompa sy ozona
Latsaka anaty ao am-po
Nefa atao ahoana moa
Satry tokoa isika roa
Ho tafara-dalana indray
Izaho sy ianao, hifandao
Tsy ho ahy ianao

Indraindray misy teny tsy tsaroanao!

Atolotra ny taona 2004 izay hifarana ! veloma 2004! arahaba 2005 ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nanie
Vangy : 7034
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : FitiavanaMarina
Daty : 29/12/2004 23:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6931