Ianao sy 'Zah (Nanie)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
toa ho sarotra ho ahy ny haminavina
izany fiainana ry tiana
raha tsy ianao no teto anilako eo
raha tsy ianao no mba namako

toa ho sarotra ho ahy ny hahalala
raha toa tsy misy anao ry lala
hoe nanao ahoana ny tontolo
raha moa niainana irery

ref: tia anao loatra aho
ny fitiavanao manome hery
ny fitiavanao tsy manam-paharoa
tsy mila olon-kafa
fa hanjary hafahafa
fa ianao irery ihany
izaho sy ianao

mila anao loatra ny
no toky sy aro ary
tanjaka ao amin'ity fo
tsy ho haiko ny hitempo an’olon-kafa
fa ianao no efa ahy (izaho sy ianao)

tsy ho sarotra ho ahy ny hahafantatra
zany hoe fahasambarana
fa efa ianao no eto anilako
fa efa ianao no tena namako
tsy sarotra ho ahy ny hanambara
fa ilay fitiavana nioropaka
dia velona anatinao
miboiboika lalina

ref:

hainao ny mizara hainao no mitahiry
tena hainao ny mitana ireo tsiambaratelo
ianao mahalala tsara
fa tsy afaka hahalaza
ny tiana ambara ny teny
faly aho am-poko ao
faly aho an-tsaiko ao
faly aho an'eritreritro ao
dia fantatrao fa mila anao loatra aho

mila anao loatra aho
fitiavanao manome hery
fitiavanao tsy manam-paharoa
tsy ho haiko ny hitempo an’olon-kafa
fa ianao no efa ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nanie
Vangy : 13098
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : bodo
Daty : 22/09/2003 11:57
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131