You are here: home > Tononkira > Nanie

Feo roa (Nanie)

Ho inontsika moa ny andro izay mandalo
Raha ny rivotra mifafy no tsy hitondra kalo
Hanambatra ny nofy ho tonga hasambarana
Ho ankafizintsika ka tsy hisy fitsaharana

Ho inontsika moa ny ampitso raha mivazo
Raha ho maina dieny izao ireto voninkazo
Izay notiavintsika ka lasa namololona
Tsara kolokolo ka tsiriritin’olona

Fa ianao no amiko izahTsiky dia ampyo no aminao
Isika no miaraka mozika tsotra izao
Fa tonony sy feo tsy mahay misaraka
Na tsiky na tomany no miraraka
Mahavelon’aina ny hira izay hiraina

Ho inontsika moa ny andron’ny maraina
raha mitampifi hatrany ny kalo izay hiraina
Fa ianao no amiko izaho no aminao
Isika no miaraka mozika tsotra izao

(Mpamorona: Fanja Andriamanantena -
Mpihira: Nanie sy Lalie)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Nanie
Mpamaky : 12490
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 01/02/2004 03:57:07
ID : 2239

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo