MANDRAMPIAONA (Nada Band)

Mpihira : Nada Band
Mpamaky : 687
Nampidirin'i : riaj
Tamin'ny : 17/08/2010 11:30:54
ID : 5905

Lay masoandro efa lasa niankandrefana
Izaho koa tsy maintsy hanainga hamonjy ny ankany
Aoka hifarana eto aloha ny amin'ny androany
Rahampitso indray ho hitantsika ny amin'izany

Ka mandrampiaona , ka mandrampiaona e
Samy anohy ny diany any anefa mbola hiaona
Ka mandrampiaona , ka mandrampiaona e
Mbola hifankahita any volana any taona

Avelao re aho andeha fa lavi-dalana
Ny gitarako aza ity efa mivalana
Anio isika dia tsy maintsy hisaraka
Any andro iray anefa mbola hiaraka

Ka mandrampiaona ...

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo