Tsy adalana (Nabaoh)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa ela no nitsiry ilay fitiavako anao
Tsy mbola sahy niteny aho hatramizao
Fony isika mbola kely no tsy maty ato am-poko
Ilay fitiavana mangina izay nandratra ny foko

Satria faniriana ny ahy raha toa sitrakao
Fitia tena izy sanatria tsy kilalao

Efa hatramin'izao dia mbola miandry anao foana
Rahoviana ihany angaha vao ho tonga ilay fotoana
Izaho koa toa mangovitra tsy sahy miteny akory
Raha mba fantatrao ve fa babonao ny fo

Adalana ve ny ahy raha toa ka
miandry(2) anao foana
Satria tiako ianao
Ka rahoviana(2) ilay fotoana
(×2)

Mbola miandry foana ×3

Izaho aty toa mahatsiaro
manina andrý
Toa malahelo foana
fa sasa-miandry(2) ilay fotoana
(×2)

Adalana ve ny ahy raha toa ka
miandry(2) anao foana
Satria tiako ianao
Ka rahoviana(2) ilay fotoana
(×2)

Iô(2) tafiahotra aho
Tsy nahetsika toa lasa adala
Miteny irery fa manirery te hiteny
Fa tiako ianao ééé...fa tiako ianao

Te hijery aho
(Nefa mihaotra)
Te hiseho aho
(Nefa matahotra)
Ny fihetsikao toa maha-te ho namana
Fomba fijerinao toa mampiseho fitiavana

Efa hatramin'izao dia mbola miandry anao foana
Rahoviana ihany angaha vao ho tonga ilay fotoana
Izaho koa toa mangovitra tsy sahy miteny akory
Raha mba fantatrao ve fa babonao ny fo

Adalana ve ny ahy raha toa ka
miandry(2) anao foana
Satria tiako ianao
Ka rahoviana(2) ilay fotoana
(×2)

Mbola miandry foana ×3

Adalana ve ny ahy raha toa ka
miandry(2) anao foana
Satria tiako ianao
Ka rahoviana(2) ilay fotoana
(×2)
--------
Rohy:
Hevitra
heritiana888 ( 25/04/2015 13:58)
Na dia efa ela ary ny tarika no tsy nihira dia mbola maro mpankafy ihany izy ireo
dafytahiana ( 25/05/2015 14:25)
ireny efa tsy hita intsony
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nabaoh
Vangy : 5183
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : heritiana888
Daty : 25/04/2015 14:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0981